Koba

Publié le par Alain GYRE

Koba

Koba

Sakafo tena malagasy ny "koba" ary mbola hita eny rehetra eny.Androany ary dia fomba fikarakarana azy ity no atolotra ny mpanaraka ny pejy MSF.

ho an'olona 5 eo

Zavatra ilaina:

  • Voanjo 5kg
  • Siramamy 3kg
  • Kobam-bary3kg
  • Ravina akondro
  • Vilany iray lehibe
  • Totoina ny voanjo sy ny siramamy
  • Afangaro ny kobam-bary,siramamy ary rano, mandrapahazo "pâte" antonony, izany hoe tsy maina be nefa tsy matsora be koa
  • Apandalovina afo ny ravin'akondro
  • Raraka eo amboniny ny fangaro (kabam-bary) ary araraka eo ampovoany ny voanjo voatoto
  • Fonosina tsara tsy hisokatra mandritra ny fandrahoina azy
  • Fenoina rano ny vilany ary avela ho masaka mandritra ny iray andro @ afo malefaka ary kendrena mba ho feno rano foana ny vilany mandrapa masaka azy

Afaka aroso atao tsindri-tsakafo ao an-trano na mandritra ny fety maro samihafa ary tsara kokoa izy ity rehefa mangatsiaka izany ho nandalo vata fampangatsiahana ;)

Le "koba" ou "gâteau de riz aux pistaches" est un gâteau traditionnel malagasy.

Généralement, c'est un mélange de farine de riz et de pistache pilée puis envoloppé dans des feuilles de bananier. Voici la recette facile pour préparer ce dessert:

Quantités : pour 5 personnes

Ingrédients :

  • 5kg de pistaches
  • 3kg de sucre de canne
  • 3kg de farine de riz
  • Des feuilles de bananier
  • Une grande marmite pour la cuisson

Préparation :

  • Piler les pistaches avec la moitié du sucre
  • Préparer une pate liquide et épaisse avec :farine de riz, sucre et eau
  • Passer les feuilles de bananier à feu doux puis déposer la pate de farine de riz puis verser les pistaches pilées au centre, envelopper et ficeler
  • Déposer dans la marmite et couvrir d'eau .La cuisson dure 24h, laisser à feu doux en veillant a ce que le koba soit recouvert d'eau durant la cuisson

A servir comme dessert et c’est beaucoup mieux quand le koba est glacé

Mada Sakafo Festival

Publié dans Cuisine Malagasy, Desserts, Koba

Commenter cet article