Poème: "Ecoute les filles de la pluie" Jean-Joseph Rabearivelo
Ecoute les filles de la pluie
qui se poursuivent en chantant
et glissent
sur les radeaux d’argile
ou d’herbes de glaïeuls
qui couvrent les maisons des vivants.
Elles chantent,
et leurs chants sont si passionnés
qu’ils deviennent des sanglots
et se réduisent en confidences…
Peut-être pour mieux faire entendre
cet appel d’oiseau qui t’émeut.
Un oiseau seul au cœur de la nuit,
et il ne craint pas d’être ravi par les ondines ?
O miracle ! ô don inattendu !
Pourquoi rentres-tu si tard ?
Un autre a-t-il pris ton nid
tandis que tu étais en quête d’un rêve au bout du monde ?
Henoy ny zanakavavin’ny orana
izay mifanenjika mihira
ary mikorisa
amin’ny zahatra tanimanga
na boza-tenina
izay manafo ny tranon’ny velona.
Mihira izy,
ary ny hirany dia mirehitra indrindra
ka zary toloko,
dia miafara ho bitsibitsika…
Amgamba mba handrenesana kokoa
an’ity antsom-borona izay mampientana anao.
Vorona iray manireny ao anatin’ny alina,
Ary tsy manahy ny ho babon’ny zazavavindrano ?
O ry fahagagana ! ô ry tolotra tsy nampoizina !
Nahoana hianao no diso fodiana ?
Lasan-kafa angaha ny ankaninao,
tamin’ny hianao nanara-nofy tany am-paran’ny tany ?
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’ny Alina
Editions Tsipika