Poème: MALAGASY MIRAY HINA - Anse Etoile

Publié le par Alain GYRE

MALAGASY MIRAY HINA

 

Malagasy aho, ianao malagasy koa

Isika rehetra izao no mitambatra anio

Akanga maro tsy ho vakin’amboa

Ka ny sora-diany, ry lahy, ambonio

 

Kolon-tsaina miavaka, tokana tokoa

Manambatra ny fo sy ny saintsika izany

Lovan-drazana izay tsy mety ho lo

Satria ny filamatra dia fitiavana ihany

 

Firaisankina mba handrosoana moa

‘Zay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary ;

Na vavy na lahy samy manan-doha,

Nahoana moa no hisy atao ho zaza sary ?

 

Ny fahasamihafantsika, harena izany !

Ny teny iraisantsika, rehareha koa !

Ireo no andeha hasandratra hatrany

Satria na iza, na aiza, miaiky avokoa

 

Ny finiavana, ry lahy, andeha sikino

‘Zay hany antoky ny fampandrosoana

Fifanajana sy lafatra ihany no banjino

Hiatrehana hatrany ny fanatontoloana

 

Iavoloha, 30 Novambra, Iavoloha

Anse Etoile

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article